Toekarena malagasy : Dinika fanaingana ho fitadiavam-bahaolana
2026-02-05 - 11:57
Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Pact (Port academy center Toamasina), Ambodimanga-Toamasina, ny atrikasa fakan-kevitra ho fitadiavam-bahaolana momba ny toekarena malagasy, ny zoma 29 janoary lasa teo. Nitarika izany ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina. Nandraisan’ireo sampandraharaham-panjakana mandrafitra ny faritra Atsinanana, ireo mpandraharaha, mpitantana orinasa, anjara. Anisan’ny nivoitra ny fanontaniana mipetraka momba ny antony mahatonga ny sakana tsy hivoaran’ny toekaren’ny faritra iray. Izay indrindra no hikaroham-bahaolana eny amin’ny faritra izay avokavoky ny fandroasoan’ny toekarena. Nandritra ny adihevitra, samy resy lahatra ny rehetra fa ny fanalalahana eo amin’ny fandraharahana aloha no tokony himasoana. Eo koa ny famoronana orinasa madinika sy salantsalany kanefa hampidirana ho ara-dalàna, mandoa sy mandray anjara amin’ny hetra. Nambaran’ny minisitra tomponandraikitra fa hitety faritra izao atrikasa izao ka haravona ho antontan-kevitra azo hampiharina hoenti-mampandroso ny indositria sy ny famokarana eto an-toerana. Sajo