Tokantrano iray voatafika: Voaroba ny 12 tapitrisa Ar, olona roa naratra
2026-03-07 - 05:07
Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano sy mpivarotra tato ho ato. Notafihin’ ny jiolahy indray ny tokantrano iray mpivarotra enta-madinika tany Atsimontsena, disitrikan’i Tsiroanimandidy, ny ‘ alakamisy hifoha omaly zoma 6 marsa 2026, tamin’ny 12 ora. Niditra an-keriny sy nandroba tao amin’io tsena io ireo jiolahy miisa telo. Nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. ihanika tamboho ireo olon-dratsy ary niakatra tao ambony rihana, tany amin’ny efitrano fatorian’izy mivady tompon’ny tsena. Novakin’izy ireo ny varavarana ary niditra an-keriny ny iray tamin’ireo olon-dratsy, nisaron-tava. Nambanan’ity farany tamin’ny basy sy notereny hanome ny vola rehetra tao an-trano ireo mpivady. a ny fisian’ny vola tao ireo voatafika, saingy nikaroka sy nanakorontana ny efitra rehetra ilay jiolahy. Hitany ny sakaosy iray nitoeran’ny vola mitentina 12 tapitrisa Ariary. Voaroba, nandritra izany, koa ny a sy ny k’ mivady voatafika. Niandry tao ivelany ny olon-dratsy roa, izay tsy nisy nisaron-tava, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Olona roa naratra Lasa nitsoaka izy ireo taorian’ny asa ratsiny. N e - ireo jiolahy nandritra izany. Naheno ny zava-nitranga ny mpivady roa nipetraka tao ambany rihana ka nivoaka hamonjy ny niharam-boina. Nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy teo amin’ny lalantsara. ny teo amin’ny roa tonta. Saika hitifitra tamin’ny basy ilay jiolahy fa voarain’ilay raim-pianakaviana izany ka nipitika. Nandray antsy kosa ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary nanindrona izany tamin’ny takiban’ilay lehilahy nikasa hanavotra. Mbola voatifitra teo amin’ny tanany ihany koa ny vadin’io lehilahy io. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nentina nihazo ny hopitaly ireo naratra. Mino