TheMadagascarTime

Tontolo iainana : Fanarenana ny endri-tany sy ny ala

2026-03-30 - 04:43

Misy ny fitaovana niomerika manokana ampiasain’ny Rafitra fanaraha-maso sy fanangonana ny antontanisa, mahakasika ireo zava-bita sy ny vokatra, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny ahafahana mikirakira ny angom-baovao entina hanarenana ny endri-tany sy ny ala eto amintsika. Kendrena hatrany amin’ny 4 tapitrisa ha ny velarantany sy velaran’ala ho sahanina hatramin’ny taona 2030. Natao ny 23 marsa teo ny atrikasa momba ity fandaharanasa ity. Nampahafantarina ireo mpisehatra isan-tsokajiny ity fitaovana ity, sady nanentanana azy ireo amin’ny fampiasana azy ihany koa. Hanamora ny haitondra mahakasika ny fanarenana ny endri-tany sy ny ala ity fitaovana ity, ankoatra ny fanaraha-maso sy ny fanangonana ny antontanisa sy ny antontam-baovao. Mampiasa azy ny fitantanana DRGPF sy ny DCSI ao anivon’ny Medd. Nanohana ny fanatanterahana azy ny tetikasa F4F ao amin’ny GIZ. Anisan’ny nanome voninahitra ity fotoana ity ny tale jenerali’ny Haitondra ara-tontolo iainana (DGGE), Razafindraibe Rinah, ao amin’ny minisitera. Nohamafisina ny maha zava-dehibe ny fampiasana ity fitaovana ity. Njaka A.

Share this post: