Tontolon‘ny hira: Hanimba hira sy mpitendry ny teknolojia
2026-02-06 - 04:48
Fototra iray mampijoro ny hira ny fisian’ny mpitendry (mpitsoka, mpikapoka...) zavamaneno. Misedra olana maro, anefa, izy ireny... Zavamaneno iray mahatafavoaka feo maro... Hadinodino fa misy ny mpitendry. Havanana amin’ny zavamaneno tendreny na tsofiny na kapohany izy ireo. Miaina miaraka amin’ireo hira kaloin’ny mpihira, sns. Olana lehibe sedrain’ny mpitendry zavamaneno amin’izao vanim-potoana izao ny tahaka io. Nanjary tsy ilaina intsony ny mpitendry? Tahaka izany koa ireo zavamaneno tendreny? Ilay aina sy fanahy mamelona ny hira no tsy heno intsony raha vao ianteherana amin’ny teknolojia ny tontolon’ny hira. Ireo, anefa, no anisan’ny maha kanto na tsia ny hira iray. Raha mihaino maimaika. Na, variana amin’ny fampiasana ny teknolojia amin’ny hira. Tsy mahatsikaritra fa « manta mohaka » ilay sanganasa, satria, very fanahy. Tsy heno miaina tsara fa toa atao tery vay manta fotsiny sisa. Tsy mijanona eo amin’ny fahasimban’ny hira fa miantraika hatrany amin’ny mpitendry. Olona iray mahasolo asan’olona fito. ... Ho an’ny tontolon’ny hira eto Madagasikara, matetika ireo karazan-kira na gadon-kira manana faka avy any ivelany (Eoropa, Afrika, Amerika...) no ahenoina io hira very fanahy sy tsy miaina tsara io. Efa mirona tsikelikely mankany ihany koa ny ampahany amin’ireo mpanakanto mitrandraka ny vakodrazana mba haharesy lahatra ny vahiny, hono. Mba tsy ho mena-mitahy eo amin’ny tsena sy sehatra iraisam-pirenena, hono. ... Marihina fa nanomboka ny taona 2021 no niverina tsikelikely tamin’ny fampiasana zavamaneno tsotra sy tendren’olombelona indray ny Eoropeanina, noho ny fahatsapana fa tsy mitondra soa ho an’ny fanabeazana maha olona ny teknolojia ampiharina an-jambany any anaty hira. HaRy Razafindrakoto