Tontolon’ny hira : Hivondrona ireo mpitendry zavamaneno
2026-02-05 - 11:57
Nihaona omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely, ireo mpitendry zavamaneno. Nisongadina, tamin’izany, ny antso ho an’ny firaisankinan’ny mpitendry manerana an’i Madagasikara hivondrona ao anaty fikambanana « Mpitendry malagasy ofisialy » iray. Avy amin’io sehatra misokatra io no hitondrana ny feon’ny mpitendry. Hiaro ny zony, hanatsara ireo fepetra iasany. Hampiroborobo ihany koa ny tontolon’ny mozika voalamina ara-drariny sy maharitra. Anisan’ny asa hataon’ny fikambanana ny fanentanana manerana an’i Madagasikara ny amin’ny tokony hivondronan’ny mpitendry ao anatin’ny « Mpitendry malagasy ofisialy ». Mba hahafahana mahafantatra ireo izay tena mpisehatra maro amin’ity zavakanto iray ity no hanaovana izany. Sady ahafahana maminavina sahady koa ny hitsanganan’ny Holafitry ny mpitendry zavamaneno eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny rindran-damina sy asa tanterahin’ny fikambanana ihany koa ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpitendry. Ezahina ny hisian’ny rafitra mipetraka mazava momba azy ireo. Raha misy hetsika ilaina mpitendry, io rafitra io no hiaro azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa. ... Olana matetika miverina eo amin’ny mpitendry ny tsy fandoavan’ny mpikarakara ny karama nifanarahana, satria, « tsy nahazo olona, hono, ilay seho ». Ny fisian’ny fikambanana tahaka izao no iray amin’ ny famahana ny olana tahaka izany. « Feo vaovao ho an’ny mozika malagasy », hoy ireo mpitendry, omaly. HaRy Razafindrakoto