TheMadagascarTime

Trano Sary : Fampirantiana hampitana ny fitiavan-tanindrazana

2026-03-30 - 04:54

«Tolom-panafahana: fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana». Io ny lohahevitry ny fampirantiana izay tontosaina etsy aminn’ny Trano Sary Ambohidahy, ho fanamarihana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Ankoatra ny fampahafantarana ny «Raharaha 47» sy ny manodidina azy, natao indrindra koa hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ ny taranaka aty aoriana. Sary sy tantara voafantina, hikoloana izay fitohizan’ny tadidy miampita izay ireo haranty. Tsy tao amin’ny Trano Sary Ambohidahy ihany fa nisy ihany koa tany amin’ny Mozea Moramanga. Tranom­bakoka iray any an-toerana mitahiry ireo fitaovana sy zavatra mirakitra ilay fotoana mainty indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara izay tao moramanga ny ivony. Satria isan-taona ny fahatsiarovana, andrandrain’ny maro ny hisian’ny zava-baovao amin’ireo fampirantiana. Misy ary maro ireo voka-pikarohana mendrika hampahafantarina satria manampy ny tantara nampahafantarina ha­tramin’izay izany. Zo ny Aina

Share this post: