TSELATRA
2026-01-28 - 05:53
Nanao fihetsiketsehana sy nidina an-dalambe, nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana, ny mponina tetsy Ilanivato, omaly. Ny fisian’ny ranobe tsy mety ritra eny amin’ny arabe ny antony, raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. Nahitana fahatapahana, noho izany, ny lalana teny an-toerana, vokatr’io hetsika. Nihaona mivantana tamin’ireo mpamily taxi-be zotra 194 sy zotra D teny 67 Ha Vatobe sy teny Andranomena ny talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire prinicipal de Police Rafalimanana Alain Adonis, omaly. Nambarany fa hahazo sazy izay tratra manao kolikoly. Nentanina koa izy ireo hanaja ny fiantsonana farany mba ho tombontsoan’ny besinimaro. May kilan’ny afo ny trano fivarotana kojakoja fanorenana iray eny Tanjonandriana, Ambohimanambola, ny 26 janoary 2026 tamin’ny 03 ora sy 40 min tolakandro. Nirohotra nifehy ny afo ny zandary sy ny fokonolona. Naharitra adiny iray mahery ny faharetan’ny firehetana. Simba ny entana rehetra tao an-tsena. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra. Afon-tsigara teo ambony moto ny antony nahatonga ny loza. Nitrangana vaky fasana tany Fandrianarivo, fokontany Sahapetraka, distrikan’i Soavinandriana, ny alin’ ny 24 janoary 2026 teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny taolambalo miisa roa. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ireo zandary avy amin’ny tobim-paritra Soavinandriana. Naverina nohidina sy nohamafisina ny hidim-pasana taorian’ny tranga.