Tsimiroro : Hamokatra solika HFO 3 000 barila isan’andro ny Madagascar Oil
2026-03-07 - 05:26
Hiditra amin’ny hafainganam-pandeha mafy kokoa ny orinasa Madagascar Oil. Tanjona ny hivarotana ny solika mavesatra eto an-toerana hatramin’ny an’ny Jirama. Nisy ny fanovan-drafitra sy fitantanana nataon’ny mpitantana ny orinasa Madagascar Oil, mamokatra solika mavesatra Fuel Oil (HFO) any Tsimiroro, taorian’ny tranga Covid-19. Nilaza ny administratera jeneraly (AG) ny orinasa, Yanto Sianipar, fa « miverina ny famokarana mafy orina, hanatrarana ny fahaleovantena ara-angovo eto Madagasikara. Tanjona ny fitrandrahana mitohy sy maharitra ». Hampiasaina ny teknolojia avo lenta, hampidirana entona any ambanin’ny tany (injection à vapeur). Solika mavesatra 300 barila isan’andro (b/j) no vokarina, ary hitombo ho 3 000 b/j ao anatin’ny roa taona. Nomarihin’ny AG, Yanto Sianipar, fa azo atao tsara ny mamatsy ny Jirama, rehefa mipetraka mazava ny fifanarahana. Solika mavesatra 4 000 b/j ny filan’ity orinasam-panjakana ity. Hitarina sy tohizana ny isan’ny vovo sy ny fitaovana fitrandrahana ary ny sinibe fitahirizan-tsolika. Tombanana ho 1,7 miliara barila ny tahirin-tsolika any Tsimiroro. Tanjona ny hamatsiana ny filana amin’ ny solika mavesatra rehetra eto Madagasikara, ary hanondrana any ivelany avy eo. Nanomboka ny jolay 2022 no efa namatsy solika orinasa vaventy (Star, Cementis, Socota, PFOI) eto an-toerana, any Antsirabe sy Antsiranana, ny Madagascar Oil. Ao anatin’ny vondrona Benchmark Group, orinasa iraisam-pirenena amin’ny angovo, ny Madagascar Oil. Mpiray ombon’antoka Amerikanina sy Indonezianina no ao anatiny. Tetikasa lehibe fahefatra sahaniny ny any Tsimiroro. Mila amboarina ny RN1 bis Anisan’ny olana ny haratsian’ny lalam-pirenena RN1 Bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy hatrany Tsimiroro sy Maintirano. Nohazavain’i Yanto Sianipar, fa efa manao araka izay azony atao izy ireo manamboatra ireo toerana tena ratsy, ahafahan’ny fiarabe mitatitra ny solika. Entaniny ny governemanta malagasy hanao laharam-pahamehana hanarenana azy io, satria ain-dehiben’ny toekarena. Njaka Andriantefiarinesy