TheMadagascarTime

Tsipy kanetibe Analamanga : Hanasazy ireo mpilalao tsy manara-dalàna

2026-01-27 - 09:11

Hametraka rafitra manaraka ny lalàna ny ligin’ny tsipy kanetibe Analamanga, ho an’ny taom-piasana vaovao. Hampanara-dalàna ireo mpilalao sy ny klioba. Hanome sehatra ireo rehetra koa ho fampivoarana ity taranja ity, miainga any amin’ny fokontany, hatrany amin’ny divizionina nasionaly. Nanatanteraka fikaonandoha, niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsipy kanetibe, ny ligin’Analamanga, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Anisany nisongadina tamin’izany ny mahakasika ny fitsipika sy ny fitondrantenan’ny rehetra. Nambaran’ Andriantsiferana Ravaka, filohan’ny ligy, fa “tsy handefitra ny ligy amin’ny tsy fanarahan-dalàna ka hanasazy ireo mpilalao sy klioba mihoa-pefy”. Tafiditra ao anatin’izany ireo lalàna efa napetraky ny Fede­rasionina iraisam-pirenena, toy ny fitafiana entina miatrika lalao sy ny tsy tokony handraisana zava-pisotro misy alikaola na fifohana zava-mahadomelina. “Tsy sanatria ka avy amin’ny ligin’Analamanga no hiavian’ny sazy ho an’i Mada­gasikara indray”, hoy i Ravaka. Ankoatra izay, tsy handeferana intsony, manomboka izao, ny fanaovana “tournoi sauvage” na tsy ao anaty rafitra sy tsy nahazoana alalàna. Tsy misy intsony, araka izany, ireny karazana fifaninanana misy “boss” sy “élite” fanao isan-kerinandro ireny fa fifaninanana manaraka ny lalàna no hatao dia ny olon-tokana, olon-droa ary olon-telo miaraka karakarain’ny ligy. Politika vaovao ho an’ny ligin’Anala­man­ga ny hanome sehatra ny rehetra miainga any amin’ny fokontany, ireo mpiasa amin’ny orinasa, ny mpankafy ary ny mpanao gazety, mipaka any amin’ny divizionina nasionaly, mandritra ny fotoam-pitantanany. Anisan’ny politika vaovao ho azy ireo izany. Raha tsy misy ny fiovana, hisokatra amin’ny sabotsy 14 marsa ho avy izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Ana­la­manga. Hisantatra ny fiadiana ny ho tompondaka ny an’olon-telo, hatao ny 2 mey ho avy izao. Tompondaka

Share this post: