TheMadagascarTime

Tsipy kanetibe: Nafindra any Thaïlande ny “Mondial 2026”

2026-03-25 - 04:34

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, lehilahy, indray amin’ity i Thaïlande. Afaka ny sazin’izy ireo ka izao naverin’ny Federasionina iraisam-pirenena ao anatin’ny fianakaviamben’ny tsipy kanetibe maneran-tany izao. Notapahin’ny Federasio­nina iraisam-pirenena fa hafindra any Thaï­lande ny andiany faha-52 amin’ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany, sokajy Senior, olon-telo miaraka, lehilahy. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Khon Kaen University, ny 20 ka hatramin’ ny 25 novambra ho avy izao, izany. Tsiahivina fa tokony ho natao tany Malaisie ity fihaonana ity saingy izao nomena azy ireo izao. Nomena ny anjara toerany indray izany izao ity firenena ity, taorian’ny sazy nihatra taminy ny taona 2024 noho ny antony fitantanana. Firenena goavana amin’ity taranja ity i Thaïlande ary efa nahazo ana­ram-boninahitra maro ho an’ ny sokajy rehetra. Hotan­te­ra­hina amin’io ny fifanina­nana ho an’olon-telo miaraka sy ny “tir de précision”. 48 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany, avy amin’ny kaonti­nanta. Tsiahivina fa tompondaka maneran-tany farany tamin’ny taona 2025, tany France, teo amin’ny “tir de précision”, i Madagasikara, tamin’ny ala­lan’i Zigle ary ho an’olon-telo miaraka kosa i Italie, notari­hin’i Diego Rizzi. Tompondaka Ireo firenena tafita hiatrika ny dingana famaranana -Eoropa : Andorre, Belgique, Tchécoslovaquie, Dane­mark, Angleterre, Finlande, France, Allemagne, Irlande, Israël, Italie, Luxembourg, Monaco, Pays-Bas, Pologne, Serbie, Espagne, Suède, Suisse, Turquie -Azia : Cambodge, Chine Taipei, Indonésie, Japon, Liban, Malaisie, Thaïlande, Viet-Nam -Oseania : Australie, Polynésie -Afrika : Algérie, Burkina Faso, Cameroun, Comores, Côte d’Ivoire, Maurice, Madagascar, Mali, Mauritanie, Niger, Sénégal, Tunisie -Amerika : Argentine, Canada, Etazonia, Republique Domi­nicaine

Share this post: