Tsipy kanetibe : Nihazo an’i France i Lova sy Tiana
2026-03-03 - 04:46
Nanainga omaly, nihazo an’i France, Rakotoarisoa Lova Satamandimby sy Razanadrakoto Tiana Laurens (Tonnerre) hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny “Passion pétanque française” (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana hotanterahina ny sabotsy 7 sy alahady 8 marsa ho avy izao, ao amin’ny Boulodrome Douaisis. Anisan’ireo hiatrika izany i Madagasikara, ka hiaro ny voninahi-pirenena izy mirahalahy, miampy an-dRakotoarisoa Yves Sedrick, mpilalaon’ny Decines France. Tsiahivina fa tompondakan’ny « Mondial La Marseillaise 2025 » izy telo mirahalahy ireo. «Sambany no handraisako anjara amin’ity PPF ity. Haka ny fandresena no tanjona ary hiezaka hamerina ny lazan’i Madagasikara indray», hoy i Lova. Marihina fa tompondaka maneran-tany 2025 teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy “mixte”, i Lova. Miisa 16 ny ekipa lehilahy hiady ny lohany amin’ity ka anisan’ireo mifaninana amin’izany ilay Italianina, i Diego Rizzi, tompondaka maneran-tany farany, teo amin’ny olon-tokana. Eo koa ireo kalazalahy frantsay, toa an’i Dylan Rocher sy i Philippe Suchaud. Tsy diso anjara ihany koa ry Stephane Robineau sy i Feltain. Manana ny ekipany koa ilay Malagasy milaravinahitra any France, Andriantseheno Christian (Racl). Tompondaka