Tsipy kanetibe – PPF 2026: Raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Malagasy
2026-03-09 - 04:47
Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ny dian’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny famaranana lehibe niadiana ny Passion Pétanque Française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina omaly tao amin’ny Boulodrome Douaisis, France. Resin’ny ekipan’i Baudino sy i Maurel ary i Delahaye, tamin’ ny isa 13 no ho 9 i Yves sy i Lova ary i Tonnerre. Lalao nandrasan’ny mpijery rehetra tonga tany an-toerana satria toy ny famaranana kely mialoha ny fotoana izany. Niady ny lalao na nitarika tamin’ny elanelan’isa lavitra aza ireo mpifanandrina, vao nanomboka nanenjika ry zalahy. Nanokatra ny isa voalohany ry Baudino, avy eo nosahalain’ny Malagasy ho 1 sy 1. Nitsatoka teo ny Malagasy ary lasa ry Baudino ka niatrika hatrany amin’ny isa 9 no ho 1. Taitra tamin’io elanelana io izy telo mirahalahy ka nanenjika ary nosahalainy 9 no ho 9. Nihevitra ny rehetra fa ho tapaka eo ity ekipa frantsay ity saingy ny malagasy no tsy nihetsika teo intsony. Niakatra ho 10 no ho 9 ny isa avy eo lasa 12 no ho 9 ary matin-dry Baudino, tamin’ny isa 13 no ho 9. Tsy nety nifameno ny lalaon’izy telo mirahalahy raha ny vaovao voaray. Mafy koa ny “carreau” nataon’ny mpifanandrina satria saika nahavita izany hatrany ry zalahy, isaky ny mitifitra. Tsy voatohitr’i Lova anefa izany ka teo no nampiova ny lalao. Ho an’ny lalao hafa, niatrika ny manasa-dalana koa ilay Malagasy mpilalao, Andriantseheno Christian (Racl), niaraka tamin’i Lamberger sy i Magny. Tompondaka