TheMadagascarTime

Tsiroanomandidy-RN1bis : Taksiborosy nivadika, olona efatra naratra

2026-03-21 - 05:03

Mpanao gazety sy dokotera ny roa tamin’ireo olona efatra naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alin’ny alarobia 18 marsa lasa teo. Potika tanteraka ny fiara. Olona miisa efatra naratra taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alarobia 18 marsa lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. Taksi­borosy iray niainga avy ao Antananarivo nikasa hody any Tsiroanomandidy. “Niala ny Renivohitra tamin’ny 5 ora hariva io fiara io”, hoy ny loharanom-baovao. Miisa enina ireo mpandeha tao anatin’ny fiara. Mpitsabo eo anivon’ny hopitaly Loterana ny iray, mpanao gazety amin’ny radio tsy miankina ny iray. Ani­san’ireo mpandeha koa ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Lycée Bevato. Nandeha mafy ny fiara, araka ny fitantaran’ireo niharan-doza. Nalama ihany koa ny lalana ka nitarika tamin’ny loza. Nivadibadika nivoaka ny arabe ny fiara. Vokany, olona efatra naratra. Nentina hopitaly Nentina nihazo avy hatrany ny CHRR Tsiroanomandidy ireo mpandeha naratra tao anatin’io taksiborosy io. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Niroso tamin’ny fandraisana an-tanana ireo niharan’ity lozam-pifamoivoizana ity ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao an-toerana. Notsa­boina ao amin’io CHRR io ilay mpanao gazety sy ilay tomponandraikitra eo anivon’ny Lycée Bevato. Nisafidy ny hanaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly iray eto Antana­narivo Renivohitra kosa ilay mpitsabo sy ny olona iray hafa. Mandray an-tanana ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tsihia­vina, vao nitrangana ny lo­zam-pifamoivoizana nahatsiravina teo amin’io toerana io, ny herinandro lasa t Tsiferana R.

Share this post: