Tsy fanjarian-tsakafo: Nojerena ny fiantraikan’ny tohana, any Androy sy Anosy
2026-02-24 - 04:35
558 000 ny isan’ny zaza ahina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo, hatramin’ny volana avrily ho avy izao, ka ny 155 000 amin’ireo ao anaty tranga mahery vaika. Manohana ny asa fandraisana an-tanana i Frantsa. Nitsidika ny faritra Androy sy Anosy, ny herinandro lasa teo, ny masoivohon’i Frantsa miasa eto Madagasikara, i Arnaud Guillois sy ny solontenan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), i Tania Goossens. Tanjona ny hijerena ifotony ny fiantraikan’ny asa fanohanana ireo vondron’olona marefo vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Asa vatsian’ny fanjakana frantsay vola. Nanome vola ny Pam izy ireo ny taona 2025 nahafahana nitondra tohana ara-tsakafo ho an’ny olona 16 000 ka ny 8 400 amin’ireo dia zaza latsaky ny 2 taona avokoa. Ankizy latsaky ny 5 taona, mahatratra 1 200, sy vehivavy mitondra vohoka sy mampinono 7 000 no nampiana ara-tsakafo. Tafiditra amin’ny “Initiative française pour le sécutié alimentaire et la nutrition” (Ifsan) ny asa natao. Ny Pam no manatanteraka ny tetikasa. Manao tantsoroka ny vondron’olona ifotony sy ny sekoly mba hisitrahana fanjarian-tsakafo izy ireo. “Ankoatra ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo, manampy ny mponina ny Pam amin’ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny toekarena eny ifotony, indrindra ny fampahaleovan-tena ny vehivavy”, hoy ny solontenan’ny Pam. Ho an’ny faritra ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo, nahazoana nividy sakafo, toy ny totom-boanjo notovonana vitamine sy singa mpamelona ny tohana. Nahafahana nitily ireo zaza 6-59 volana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa. Nanampy ny olona 1 200 hikarakara sakafo ara-pahasalamana rahateo ny fiofanana natao teny anivon’ny Farne (toerana fizarana fahalalana momba ny sakafo ara-pahasalamana). Vokatry ny fandaharanasa Ifsan koa no nahazoana nampianatra ankizy 7 000 momba ny sakafo mahavelona sy ny fahadiovana. Vonjy