TheMadagascarTime

Valanaretina Mpox : mahafaty ny zaza any am-bohoka

2026-01-29 - 05:33

Mitondra fanazavana momba ny fitondrana vohoka sy ny aretina Mpox ny Dr Rajaonarison Tahina, ao amin’ny CHU Befelatanana. Nambarany fa mety ho afa-jaza ny reny mitondra vohoka tratran’ny Mpox raha eo amin’ny manodidina ny telo volana eo ny zaza ao an-kibo. Ahina ho faty am-bohoka kosa ny zaza na mety hifindra amin’ilay zaza ao an-kibo ny aretina amin’ny alalan’ny ahitra raha eo amin’ny fahatelo volana faharoa. Ho an’ny vehivavy bevohoka sy mampinono, tena saro-pady sy marefo. Mety hampiakatra ny taham-pahasarotana eo amin’ilay zaza sy ny reny raha sanatria ka tratran’ny aretina Mpox. Amin’ny alalan’ny ahitra no hifindran’ny aretina amin’ny zaza ao an-kibo. Raha nifanerasera tamin’ny olona voan’ny aretina ny reny bevohoka dia tena mila fanaraha-maso hentitra ny fahasalamany. Arahi-maso ny mety ho fitrangan’aretina ary tsaboina avy hatrany any amin’ny dokotera. Ankoatra ny fanaraha-maso ny reny dia arahi-maso koa ilay zaza ao am-bohoka amin’ny alalan’ny échographie sy fitiliana isan-karazany. Fitandremana sy ny fiarovana no tena zava-dehibe indrindra. Fadiana ny mifanerasera amin’ny olona voan’ny aretina. Hajaina fatratra ny fahadiovana, manasa tanana matetika amin’ny savony... ny sakafo, ny vatana, ny fitafiana sy ny hodidina rehetra mila madio. Misakafo ara-pahasalamana hanampiana ny hery fiarovana. Mila misotro rano betsaka. Tatiana A

Share this post: