TheMadagascarTime

VAOVAO TAMBATRA

2026-02-17 - 04:48

Niray hina nanome fanampiana ny traboina any Toamasina ny mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny any Atsinanana sy ny mpikambana anaty Sendikan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Fitaovana, toy ny ordinatera, fanaovana printy, kojakoja birao, sns. Eo koa, ny fanampiana sakafo, toy ny vary sy menaka, miampy lelavola. Nomena vahana manokana ny mpianatra, nomena kojakojam-pianarana. Nahazo fitaovana sy kojakoja ny Anteni­mieran’ny Varotra any Atsimo Andrefana, Anosy ary Farafangana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PACFC 1 izany, hanamafisana ny sehatra ara-barotra sy ny fanodinam-bokatra any amin’ireo faritra voakasika. Fitaovana, toy ny fitahirizana mangatsiaka madinika, fanamiana, fanasokajiana sy famonosana, fanendasana kafe, fanosehana menaka, sns ... Mitohy ny Fanabeazana ara-tontolo iainana any an-tsekoly. Nisitraka izany ny CEG Ambato­masina, kaominina Maroantsetra, ny 12 febroary teo. Tanjona ny hamolavolana ny ankizy mpianatra handray andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fanamafisana ny fambolen-kazo, ny fomba fitantanana sy fanavahana ny karazam-pako eny an-tsekoly, sns.

Share this post: