TheMadagascarTime

Vokatry ny rivodoza : Ahina ny hisian’ny mosary

2026-02-17 - 04:48

Tandidomin-doza tanteraka ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. “Ahina ny hisian’ny mosary noho ny fahasimban’ny vokatra rehetra any an-toerana, kely ihany koa ny vola miditra isan-tokantrano ka hampihena ny toekarena”, hoy ny mpandraharaha, Mandraina Frédéric, anisan’ireo rava trano. Notohizany fa mety hitranga afaka telo volana izany noho ny fahasahiranan’ny mponina sy ny fahasimban’ny vokatra maro samihafa. Vokany, manjary hohanina ireo vokatra mahasolo ny vary, toy ny soanambo, mangahazo, papaye ary zavoka. Ireto farany izay anisan’ny mampidi-bola ho an’ireo fianakaviana mpamokatra saingy voatery hohanina noho ny tsy fisiana. Ankoatra izay, potika avokoa ireo voly fanondrana mampalaza ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, toy ny letisia sy jirofo ary kafe. Ho very herintaona amin’ny taom-pamokarana ny faritra. Mety hitotongana ihany koa ny fanondranana ataon’i Madagasikara an’ireo vokatra ireo amin’ny taona ho avy. Sajo

Share this post: