Volley – 50 taona : Nifanotrona tamin-dRaharimalala Léa ny mpitia ny taranja
2026-01-26 - 09:11
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa, filohan’ny federasionina malagasy, teo amin’ny tontolon’ny volley ball. Lalao sy fifampizarana ary fihaonana tamin’ireo niara-nilalao sy niara-lehibe tamin’i Léa no nanamarihana ity famaranana ny fankalazana ity, nandritra ny telo andro. Nifanotrona taminy ireo mpitia ny taranja volley ball ary nifampizara ny fahatsiarovana taminy. Nandray anjara mivantana tamin’ny lalao mihitsy izy nandritra ity fankalazana ity ary mbola anatin’ny tanjany tanteraka. Nahazo fandresena tamin’ny seta 2 no ho 1 moa ny ekipa nisy azy sy ry Lanto tamin’io lalao nataony io. Ankoatra izay, nandray anjara tamin’ny fifaninanana ihany koa ireo hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka CCC Zone 7 hatao any Seychelles, ny volana febroary. Efa fanomanana sahady ho azy ireo, araka izany, iny fifaninanana nankalazana ny jobily ny faha-50 taona nanaovan-dRaharimalal Léa, volley, iny. Nambaran’ity filohan’ny Federasionina malagasin’ny volley ball ity fa mila finiavana sy fikirizana ny fanaovana taranja iray. Manentana ireo zandry sy tanora izy hanana izay fikirizana izay, raha te hahazo vokatra tsara amin’ny fifaninanana izay hatao. Tsy nanadino nisaotra ireo rehetra niaraka nisalahy taminy, tamin’ny fanatontosana ny fankalazana izao jobily faha-50 taona nanaovany volley ball izao, Raharimalala Léa. Mi.Raz