Volley-ball – CCCOI 2026 : Resin’ny Port-Louis Maurice ny Mama VBC
2026-03-06 - 05:16
Nitohy omaly, tatsy Seychelles, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny klioba tompondaka na ny CCCOI, taranja volley-ball. Teo amin’ny sokajy lehilahy, lavon’ny Port-Louis avy atsy Maurice, tamin’ny seta 3 no ho 1, ny Mama volley-ball club Madagasikara. Ny seta voalohany ihany no lasan’ny ekipa malagasy, izay norombahiny tamin’ny isa 25 no ho 21. Taorian’io, nanjakan’ny maorisianina ny lalao. Seta faharoa, lasan’izy ireo, tamin’ny isa tery 25 no ho 23. Nifanenjehana sy nifandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe. Voa teo amin’ny fiarovan-tena ny Mama VBC ka nahazoan’ny mpifanandrina ny seta. Niditra teo amin’ny seta fahatelo saingy tsy mbola afaka ihany ny Malagasy. Lasan’ny maorisianina, tamin’ny isa 25 no ho 23 ihany koa. Efa nisy fotoana tokony ho nahazoan’ny Mama VBC ny seta saingy diso mikoropaka loatra izy ireo ka nanome tombony ho an’ny Port-Louis. Niezaka nanarina indray ny Mama VBC teo amin’ny seta fahefatra. Nitovy hatrany ny isa hatreo amin’ny 16. Teo no nanomboka nitsoaka tsikelikely ny Maorisianina. 20 no ho 16 avy eo 23 no ho 18 ary lasa 24 no ho 18. Notapahin’ny Mama izany ka lasa 24 no ho 19. Maty tsy novonoina nefa ny seta fahefatra satria nivoaka ny “service” nataon’ny Mama VBC. Tompondaka