Volley-« CAVB Zone 7 »: Ekipa 4 hihazo an’i Seychelles
2026-02-20 - 04:57
Hotanterahina any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, eo anivon’ny CAVB, taranja volley-ball. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ahitana ekipa 4 (2 lahy sy 2 vavy) izy ireo. Ny GNVB, lahy sy vavy, sy ny Mama, sokajy lehilahy, ary ny Squad X, sokajy vehivavy, ireo hiaro ny voninahi-pirenena, araka ny vaovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball. Efa tsara fiomanana ireo solontena malagasy, araka ny hita nandritra ny lalao fanomanan-tena natrehin’izy ireo, izay samy nahazo fandresena avokoa. Araka ny fandaharam-potoana, ny 25 febroary izao no hanainga eto an-tanindrazana, hihazo an’i Seychelles ny delegasiona malagasy, hiatrika ity fifaninanana ity. Manana fanantenana hitondra vokatra tsara izy ireo amin’izany. Firenena 6 avy eto anivon’ny ranomasimbe Indianina no handray anjara, ahitana an’i Seychelles, Comores, Mayotte, Maurice, La Réunion ary i Madagasikara. Mi.Raz