TheMadagascarTime

Volley – CAVB Zone 7: Malagasy 3 mitsara any Seychelles

2026-03-04 - 04:46

Ankoatra ny fandraisan’ny ekipa malagasy anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina, taranja volley-ball, manana solontena ihany koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fitsarana lalao. Malagasy 3 no hitsara lalao any Seychelles mandritra ity fifaninanana ity. Ahitana an’i Mamitiaina Tsifolakasy Herizo, mpitsara federaly sy Koera Félix ary Rajaonarison Herinirina Samoeline, izay samy mpitsara iraisam-pirenena izy ireto. Fandraisan’anjara feno ny an’i Madagasikara amin’ity CCCOI 2026 ity, araka izany, satria sady manana ekipa roa lahy sy roa vavy no mbola manana mpitsara lalao 3 ihany koa. Porofo izany fa efa manana ny toerany eto amin’ny ranomasimbe Indianina ny taranja volley-ball. Tsiahivina fa hiditra amin’ny dingana farany ny fifaninanana ary tafakatra hiatrika izany ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad X raha ny filaharana isam-bondrona no jerena. Mi.Raz

Share this post: