XXL Smatchin Ao Tsara: Tompondaka ny IUM sy ny Umagis
2026-03-23 - 04:52
Nifarana, omaly teny amin’ny Lapan’ny fanatanajahantena Mahamasina, ny fifaninanana XXL Smatchin Ao Tsara, andiany faha-12. Voahosotra ho tompondaka ny Umagis sokajy lehilahy sy ny IUM sokajy vehivavy. Lalao famaranana tena nampitaintaina ny teo amin’ny sokajy lehilahy ary tany amin’ny segondra farany vao fantatra ny tompondaka. Isa 1 monja (76 no ho 75) no nahazoan’ny Umagis ny fandresena nanoloana ny ekipan ‘ny ESSCA. Tany am-piandohana, nitarika ny ESSCA hatramin’ny ampaham-potoana fahatelo, nanenjika ny Umagis ary nivoaka ho mpandresy tamin’ny minitra farany. Tompondaka fanintelony ny IUM Tsy navotsotry ny IUM teny an-tanany, ny anaram-boninahitra, tamin’ny fifaninanana Smatchin andiany faha-12, taranja basikety ho an’ny sekoly ambony ity. Nafana ny famaranana teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nifanandrinan’ny ekipan’i Koloina (IUM) sy ny ekipan’i Vaniala (ESSCA). Isa 78 no ho 58 no nandrombahan’ny IUM ny fandresena. Nifandanja ny lalao tamin’ ny ankapobeny. Nihoaran’i Erica sy ny namany (IUM) anefa teo amin’ny solaitrabe nanomboka teo amin’ny ampaham-potoana faharoa, nitohy tamin’ny ampaham-potoana fahatelo sy fahefatra. Fandresena intelo nisesy no azon’ny IUM, izay nambaran’ny mpanazatra Randrianjatovo Tsiaro Lalaina, fa nanao ny ezaka rehetra izy ireo nitazonana ny anaram-boninahitra. Nanamafy izany koa ny mpilalao, i Koloina, nahazo isa 22 nandritra ny lalao famaranana. Teo amin’ny tifitra isa 3, nisalotra ny anaram-boninahitra i Fanoro, nahazo isa 9. Norombahan’i Stanley, ny Dunk, nahazoany isa 82 avy amin’ny mpitsara. Mpilalao mendrika indrindra, sokajy vehivavy i Koloina avy amin’ny IUM ary i Toky avy amin’ny ESSCA kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Mi.Raz