TheMadagascarTime

Zana-tsehatra Serasera (Commo)-FLSH : Misokatra ho an’ny mpiasa ny fiofanana hahazoana Master

2026-01-29 - 05:33

Natao ho an’ny rehetra manana licence, efa miasa, ka liana hanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny fifandraisana eny amin’ny Commo, oniversiten’Antananarivo, izy ity. Noho ny fahitana ny hodidina misy eto amin’ny firenena sy ny fahatsapana ny filan’ny fiainana ny serasera no nanokafana azy. Nampahafantarina teny Ankatso, omaly, ny fiofanana misokatra ho an’ny rehetra manana licence ary efa miasa ka liana hanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny fifandraisana. “Mianki­na amin’ny kalitao atolotry ny mpiofana sy ny valin’ny fanontaniana hoe: Tena ilain’ny fiarahamonina ve ny vinam-pikarohana hatolotry ny mpiofana ny masontsivana hisafidianana ireo horaisina hanaraka ny fiofanana”, hoy ny tomponandraikitry ny Commidel, Dr Hagasoa Tamby. Nanangana fiofanana mampiasa ny fomba fiofanana mifandimby ny zana-tsehatra serasera sy fifandraisana, Communication-médiation-mé­dias-organisation (Commo), ao amin’ny fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona, anatin’ny Oniver­siten’Antananarivo. “Efa ma­nana ny parcours Master Commidel nanomboka ny taona 2013 ity zana-tsehatra ity fa noho ny fahitana ny hodidina misy eto amin’ny firenena sy ny fahatsapana ny filan’ny fiainana ny serasera no nanosika ny tomponandraikitra hiroso amin’ny fanomezana fiofanana mifandimby. Maro koa ny olona any amin’ny sehatry ny asa no te hanatsara sy hiaina ny fiofanana mifototra amin’ny serasera sy ny fifandraisana”, hoy ny talen’ny zana-tsehatra Commo, Dr Raharinirina Zenaha, omaly, teny Ankatso. Natokana ho an’ny olona efa miasa sy manana andraikitra eny amin’ny orinasa ary manana vinam-pikarohana ny tolotra. Afaka miofana avokoa rehefa manana ny mari-pahaizana licence raha haka ny mari-pahaizana Master ary M1 na mitovy lenta amin’izay kosa raha vonona ny hitrandraka ny Master II. Maharitra roa taona raha licence ary herintaona ho an’ny M2 ny fiofanana ary misy ny “frais pédagogique” 600 000 Ar isan-taona, satria eny an-kianja ny ankamaroan’ny fiofanana. Misy fifanarahana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiofana ary ny Commo ka hifarimbonana ny fiofanana. Mifandimby ny fiofanana, misy ampahany atao any am-piasana. Tontosaina eny An­katso, mandritra ny iray andro ao anatin’ny herinandro kosa, ny tapany faharoa iarahana amin’ny mpampiofana. 20 mahery ny mpampiofana avy eto Antananarivo sy any amin’ny faritra ary avy any ivelany. Azo aterina eny amin’ny tomponandraikitry ny zana-tsehatra serasera hatramin’ny 16 febroary ho avy izao ny antontan-taratasy ilaina ho an’ireo liana hiofana. Vonjy

Share this post: