TheMadagascarTime

Zezika tain-dramanavy : Nanorenana ozinina ao Toliara II

2026-02-17 - 04:48

Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny orinasa fanodinana ny tain-dramanavy ho lasa zezika, ao Ankilifolo, kaominina Belalanda, distrika Toliara II. Hanala ny tantsaha amin’ny fahasahiranany, in­drindra ny any Atsimo An­drefana, ity tetikasa ity. Satria, lafo ny vidin’ny zezika, izay 4 000 Ar ny kilao, ka tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny tantsaha velively. Hamaha ny olan’ny tsy fisian’ny asa, in­drindra ny tanora any Atsimo Andrefana ny tetikasa. Ham­pidi-bola ny tantsaha ma­dinika, amin’ny alalan’ny famatsiana ny akora fototra, ny tain-dramanavy, hanamboarana ireo zezika biolojika. Fiaraha-miasa amin’ny Fi­renena Arabo Mitambatra (Emmirats Arabe Unis), no nahavitana ity fotodrafitrasa ity. Nampahatsiahivin’ny Filo­han’ny Fanavaozana fa maro ny natao tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, toy ny fanadiovana lakandrano mirefy 5 000 metatra, niteraka asa an-tselika ho an’olona anarivony. Nahatratra 1 200 ny kojakojam-pambolena sy fi­taovana, miampy masomboly 6 taonina, taho-mangahazo 376 000 isa, sns, nozaraina. Mitentina 3,7 hetsy dolara ny tetibola hiadiana amin’ny an­diam-balala. «Vokatry ny ha­fainganam-pandehan’ny fomba fiasan’ny fitondrana, ankehitriny, ireo zava-bita ireo, izay mbo­la hitarina hatrany Am­boasary Atsimo», hoy ihany izy. CMS

Share this post: